Suivre @aeecl   
    English     Français     Gasy

Tetik’asa Sahamalaza

Ny saikanosin’i Sahamalaza dia eo anelanelan’ny alan’i Sambirano sy ny ala mainan’ny faritra andrefana. Wildlife Antsoina koa hoe Sambirano atsimo noho ny fananany ala tsy mando nefa tsy maina loatra. Ny hazo mandrafitra ireo ala ireo dia mahatratra any amin’ny 30 m ny haavony. Ny fanimbana ny ala noho ny fanaovana tavy sy ny fitrandrahana ala ary ny dorotanety no mahatonga ny alan’i Madagasikara ho lany sy ho ringana. Ny akomba manga maso dia voasokajin’ny “International Union for the Conservation of Nature (IUCN)” ho “atahorana ho lany taranaka” CR A2cd. Io dia nambara tamin’ny aprily 2005. Tao anatin’ny 25 taona dia mahatratra any amin’ny 80% no fihenena hita. Ny fitsidika hita ao Sahamalaza dia mety mitovy sokajy amin’ny akomba manga maso na dia tsy mbola voasokajy aza.

Noho ny asa vitan’ny AEECL dia nosokajin’ny UNESCO ho “reserve de Biosphère” i Sahamalaza tamin’ny septambra 2001. Tamin’ny 26 janoary 2005 dia voasokajy ho toerana arovana vonjy maika izy arakan’ny didi-pitondrana izay navoakan’ny minisitera. Ny ala sy ny horoko ary ny hônko no voakasika tamin’izany. Tamin’ny jolay 2007 dia lasa vala java-boahari-pirenena i Sahamalaza Nosy Radama. Anisan’ny zava-dehibe tokoa izany mba hiarovana ireo akomba manga maso sisa tavela sy ny toerana ipetrahany. Na dia izany aza anefa dia mbola maro ireo ezaka tokony hatao hanampiana ireo fokonolona ifotony mba hialany amin’ny fiankinan-doha amin’ny fampiasana ny ala ary indrindra amin’ny fanimbany ny ala.
Ny vala java-boahari-pirenena Sahamalaza Nosy Radama no voalohany notokanana tao anatin’ny programme environnemental 3 (PE3) izay fandaharan’asa fiarovana ny tontolo iainana novolavolain’ny fitondrana. Ny banky iraisam-pirenena dia nanome vola mitentina any ho any amin’ny 50 tapitra US $ (dolara amerikana) entina hamatsiana io fandaharan’asa io. Anisany nahazo famatsiam-bola tamin’izany ny fitantanana ny vala java-boahari-pirenena Sahamalaza Nosy Radama. Marihina fa io famatsiana io dia anisan’ny famatsiana ara-bola lehibe indrindra izay tsy ilaina manerenam-bola.

TransportNy AEECL sy ny fikambanana amerikana avy tamin’ny Wildlife Conservation Society (WCS)Wildlife Conservation Society (WCS) ary ireo solontenan’ny fikambanana izay misy an-toerana sy ny solontenan’ny mpitondra an-toerana dia nametraka fandaharan’asa mikasika ny fitantanan’ireo vondron’olona ifotony ny harena voajanahary tamin’ny desambra 2001. Tanjona roa lehibe no voamarika tamin’izany: 1) fikarakarana sy fanamafisana ny firindran’ireo harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina ary 2) fanatsarana ny fari-piainan’ireo olona izay mivelona manodidina ny toerana arovana amin’ny fitrandrahana fomba moderina sy fampiasana ireo harena voajanahary ireo amin’ny fomba mirindra. Noho izany dia misy ireo fandaharan’asa izay novolavolaina sy efa no tontasaina amin’izao fotoana izao. Miisa 21 ireo fikambanana vondron’olona ifotony nantsangana ary maro koa ireo fikambanana hafa nitsangana izay ahitana tanora, vehivahy, mpanjono ary mpanao asa tanana izay misandrahaka manerana ny fivondronana 4 voakasik’i Sahamalaza. Misy ny lalàna anaty izay mifehy ny mpikambana amin’ny vondron’olona ifotony anisan’izany ny “dina” entina iharovana ny tontolo iainana. Ny vondron’olona ifotony izay misy isaky ny fokontany dia miara-miasa amin’ny tompon’andraikitran’ny rano sy ny ala misy an-toerana. Natao io fiaraha-miasa io mba hanaraha-maso ny fitrandrahana ny ala. Miasa miaraka arymanampy ireo fikambanana ifotony ireo koa ny AEECL amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana maro isan-karazany anisan’izany ny fitantanana ny fikambanana,ny fambolem-bary amin’ny alalan’ny fombamoderina.Tamin’ny taona 2005,ama” ny AEECL Snakedia nandefa ireo mpikambana tao amin’ny “Voahary salmba hampiofana ireo fikambanana ifotony ireo amin’ny fomba fambolem-bary. Ny “voahary salama” diamanana traikefa amin’ny fampiofanana fambolem-bary manara-penitra sy moderina. Noho ny fampiharana io fomba fambolena io dia lasa ho 13T/ha ka hatramin’ny 17T/ha ny vokatra azon’ny tantasaha raha 3T/haizany tamin’ny fampiasana fomba taloha.

Ho fanentanana sy hampitana hafatra mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana dia nandray anjara tamin’ny fihetsiketsehana maro samihafa koa ny AEECL, anisan’izany ny “vitrine de Sofia” tamin’ny jolay 2005 izay natao tao Analalava sy ny “fetin’ny akomba” izay nisy voalohany tamin’ny septambra 2005 ary lasa misy isan-taona.

Mbola ao anatin’ny fandaharan’asan’ny AEECL koa ny fikarohana mikasika ny karazan-gidro hafa atahorana ho lany taranaka izay misy amin’iny toerana iny.


More information on the Sahamalaza National Park can be found on the Madagascar National Parks website.